LaDissertation.com - Dissertations, fiches de lectures, exemples du BAC
Recherche

Ny tontolon'ny serasera ao amin'ny banky BOA Madagasikara

Analyse sectorielle : Ny tontolon'ny serasera ao amin'ny banky BOA Madagasikara. Recherche parmi 298 000+ dissertations

Par   •  20 Août 2014  •  Analyse sectorielle  •  3 067 Mots (13 Pages)  •  1 160 Vues

Page 1 sur 13

2. Fandalinana ny zava-misy ao amin’ny orinasa

Ato anatin’ity fizarana faharoa ity no handalinana ireo zava-misy ao amin’ny orinasa. Ny eo amin’ny tontolon’ny serasera no hojerena voalohany mazava ho azy, avy eo ny fanadihadiana izay natao tamin’ireo mpanjifa. Ireo rehetra ireo dia mba ahafahana mamoaka ny tanjaka, ny lemy, ny fanararaotra ary ny loza manambana ny orinasa.

2.1. Ny tontolon’ny serasera ao amin’ny banky BOA Madagasikara

Ny tontolon’ny serasera na anatiny na ivelany ary ireo fomba fiasa eo amin’ny serasera eo amin’ny BOA Madagasikara eo amin’ny tontolon’ny fandraharana iraisam-pirenena no hojerena izao.

2.1.1. Ny serasera ivelan’ny orinasa

Ny serasera ivelan’ny orinasa no andeha hojerena voalohany. Ho asongadina ao anatin’izany ireo mpandray anjara amin’ny serasera, ny tanjona tratrarin’izay ary ny endrika isehoany.

2.1.1.1. Ireo mpandray anjara

Singa iray tsy afa-miala amin’ny orinasa ny serasera ivelany. Izany hoe ny fifandraisan’ny orinasa amin’ireo vondrona ety ivelany na koa ireo mpanjifa. Mizara roa mazava tsara izany ny mpandray anjara eto. Ny orinasa na koa ny solotenan’ny orinasa no iray voalohany. Izany hoe ireo vondrona rehetra mandrafitra ny orinasa na koa miara-miasa amin’ny orinasa na mpiasa io na mpampiasa dia tafiditra ao anatiny avokoa. Izy ireo no mandefa ny hafatra any amin’ireo vondrona tiliana. Io vondrona tiliana io kosa dia ireo olona na vondron’olona ety ivelan’ny orinasa. Izany hoe ireo olona tsy misy hifandraisana mivantana amin’ny ao anatin’ny orinasa fa mety kosa ho efa mpanjifa izy na vao hanjifa, na koa orinasa hafa mihitsy fa afaka hiantefan’ilay hafatra. Araky ny lalantsain’i Laswell dia ilaina ny mahafantatra tsara ireo mpandray anjara ao amin’ny serasera.

Eto amin’ny DDOI/BOA Madagasikara izao dia miseho amin’ny endrika maro ireo mpandefa ny hafatra. Mety ho ny mpampiasa izany na koa ho ireo mpiasa. Mety ho ny DDOI ihany koa amin’ny maha sampana mikarakara manokana azy ireo fandraharana iraisam-pirenena. Ary mety ho ny BOA Madagasikara mihitsy aza noho izy orinasa lehibe ahitana ny sampana DDOI. Maro karazana toy izany ihany koa ireo mety ho vondrona tiliana na ireo mpandray hafatra. Satria moa ny BOA Madagasikara dia misokatra ho an’ny mpanjifa rehetra ka toy izany ihany koa eo amin’ny fanaovana ireo fandraharana iraisam-pirenena ireo. Afaka manao izany avokoa ireo olon-tsotra ka manana fifandraisana amin’ny any ivelany. Toy izany ihany koa ireo orinasa izay mety ho mpanondrana na mpanafatra entana any ivelany, na koa manana fifandraisana ara-bola fotsiny izao amin’ireo any ivelany ireo. Dia izy ireo izany no natao hiatenfan’ny hafatra izay mety ho alefan’ireo vondrona hita ao amin’ny DDOI/BOA Madagasikara.

2.1.1.2. Ny tanjona

Maro ny endrika afaka isehoan’ireo tanjon’ny serasera ivelany. Mety samy hanana ny azy aza ireo orinasa tsirairay. Fa amin’ny ankapobeny, natao ahampafantarana izy voalohany indrindra. Ampahafantarana ilay orinasa, ireo tolotra na vokatra ao aminy ary koa ny fahafahany manome fahafaham-po ireo vondrona tiliany. Faharoa manarak’izay dia natao hitarihana ireo tsy mpanjifa izy mba hanjifa ao amin’ny orinasa. Ary farany dia natao mba hifandraisana na hifampitana hafatra amin’ireo vondrona mpiara-miasa na tsia ety ivelan’ny orinasa. Ohatra amin’izany ireo mpanao gazety, ireo mpikarakara hetsika isan-karazany na koa ireo orinasa afaka iarahana miasa fotsiny izao.

Ho an’ny DDOI manokana izao dia ny hifandraisana amin’ireo orinasa efa mpanjifa no tena ilainy ny serasera ivelany. Eo ihany koa ny ahampahafantarany ireo tolotra ao aminy amin’ny fandraisana anjara amin’ireo hetsika maro toy ny FIM izay nandraisan’ireo orinasa maro anjara. Ary farany, hifandraisany amin’ireo banky hafa izay miara-miasa aminy eto an-toerana fa indrindra ireo any ivelany. Ireo no ezahiny apetraka mba ahafahan’ireo vondrona ety ivelany hanome sari-dokatena tsara ho an’ny DDOI sy mba ahafantaran’izy ireo ireo tolotra misy ao aminy.

2.1.1.3. Endriky ny serasera ivelany

Afaka tanterahina amin’ny endrika maro samihafa ny serasera ivelany. Izany dia arakaraky ny tanjona tiana ho tratrarina ihany. Fa kosa amin’ny ankapobeny dia saika mifantoka amin’ny fampahafantarana ny tolotra na vokatra na ny orinasa no tena mibahan-toerana ao anatin’io endrika io. Raha toa izao te ahampahafantatra izany dia maro no fomba azo tanterahina. Isan’izany ohatra ny fanaovana dokavarotra, na amin’ireo tambasera izany na amin’ireo karazana takela-by fanaovana dokavarotra ireny. Eo ihany koa ny fifandraisana mivantana amin’ireo mpanjifa amin’ny alalan’ny fikarakarana hetsika na fandraisana anjara amin’ny hetsika hafa. Isan’ny serasera iray ahafahan’ny olona ety ivelany mahafantatra orinasa iray ihany koa ny fananany sary famantarana miavaka amin’ny hafa. Ny loko sy ny sary ampiasainy amin’izany dia mifono hafatra hatrany. Fa azo atao ihany koa anefa ny fanohanana ireo hetsika isan-karazany na ara-bola na ara-pitaovana. Misy koa ny fiaraha-miasa izay atao amin’ireo olona na vondrona mifandray mivantana amin’ny vahoaka toy ireo mpanao gazety, ireo mpanentana sy mpikarakara hetsika na lanonana. Ireo rehetra ireo dia ahafahana orinasa iray manaporofo ny zava-bitany sy ahafahany mifandray amin’ireo olona na vondrona ivelan’ny orinasa avokoa.

Fa ho an’ny DDOI manokana dia ny fifampiresahana mivantana amin’ireo mpanjifa no endrika serasera tena ataon’izy ireo. Tsy ireo mpiasa eo anivon’ny DDOI akory no manao izany fa efa misy vondrona manokana eo anivon’ny BOA Madagasikara mandray an-tanana ny fifandraisana amin’ireo ety ivelany ireo. Olona na vondron’olona na orinasa te hanao na efa manao ny fandraharana iraisam-pirenena ao aminy. Ny fanantonana ireo orinasa lehibe no sady matanjaka no tena sahanin’izy ireo. Hantonina, ahampafahantarina ary resena lahatra mba hanao ireo fandraharana eo anivon’ny DDOI. Fa koa, mandray anjara amin’ireny hetsika maro toy ny FIM ihany koa izy. Ka amin’ny alalan’ny fanaovana famelabelaran-kevitra mahakasika ny fandraharana iraisam-pirenena tamin’izany no nifandraisany amin’ireo orinasa tonga nanatrika.

2.1.2. Ny serasera anatiny

Hivadika amin’ny serasera anatiny indray izao. Ka hojerena amin’izany ireo mpandefa sy mpandray hafatra, ny hafatra ifampitan’izy ireo ary ny fitaovana ampiasainy.

2.1.2.1. ny mpandefa sy ny mpandray hafatra

Ireo vondrona ao anatin’ny orinasa no mpandray anjara

...

Télécharger au format  txt (19.9 Kb)   pdf (177.5 Kb)   docx (13.8 Kb)  
Voir 12 pages de plus »
Uniquement disponible sur LaDissertation.com