LaDissertation.com - Dissertations, fiches de lectures, exemples du BAC
Recherche

Ny nofin'izy telo mirahalahy

Analyse sectorielle : Ny nofin'izy telo mirahalahy. Recherche parmi 298 000+ dissertations

Par   •  10 Mai 2015  •  Analyse sectorielle  •  427 Mots (2 Pages)  •  866 Vues

Page 1 sur 2

NY NOFIN’IZY TELO MIRAHALAHY

Angano, angano, arira, arira, izaho manoratra ianareo mamaky…

Nanan-janaka telo mirahalahy hono, ity Rangahy; ary indray mandeha, nony narary izy, dia nampaka azy ireo ho eo anatrehany. Rehefa tonga teo izy dia hoy rainy taminy : « izao, lehiretsy, no ambarako aminareo telo mirahalahy, fa avy ity izay aretina atsindrin’Andrimanitra, ka tsy fantatro na dia ho lasa amin’izao aho, na tsia. Ka ndeha hianareo samia mody any amin’ny vady aman-janakareo avy, ary samia maka nofy sy tsidrimandry hianareo telo mirahalahy anio alina; ka rehefa maraina ny andro dia tongava aty milaza izay nofinareo avy ».

Nony maraina ny andro, dia tonga izy telo mirahalahy hilaza ny nofiny sy tsidrimandry izay efa azony tamin’ny alina iny.

Dia niteny Andriamatoa ka nanao hoe : « nofiko ry Ikaky, fa nampakatra voay sy mamba avy tany anaty rano, hono, aho ». Fa izao kosa no filazan’Andrianaivo : « nofiko, ry Ikaky, fa nahazaka akondro fito reny hono aho ». Ary Ifaralahy kosa nanao hoe : « Izaho iky, ry Ikaky, nanonofy nandrary herana sy vondrona ».

Nony nahare ireo nofin-janany ireo rainy dia niteny hoe : « Ndeha ary vorionareo telo mirahalahy ny fokonolona fa handidy harena ho anareo aho izao ». Dia namory ny fokonolona izy ireo; ka nony efa tonga teo anatrehan-dRangahy ny olona, dia niteny izy hoe : « Aza mahafady lahy, fa nanainga kely anareo aho mba hanatrika ny didim-pananako, ka izao no andidiako ny hareko amin’ireo zanako telo mirahalahy, araka ny nofiny nolazainy tamiko avy, ka ataoko mahare hianareo tany ama-monina rehetra :

« Ny androatokony dia omeko an’Ifaralahy, ary ny ampahatelony sisa kosa omeko azy mirahalahy zokiny ».

« Andriamatoa no tsy omeko be, dia fantatro araka ny nofiny hoe nampakatra voay sy mamba tany anaty rano, fa mila hanao an-tana-mamba ny herin’ny madinika; ka izany no nanofisany toy izany.

« Andrianaivo no tsy tolorako be koa satria fantatro amin’ny nofiny, fa ho ratsy koa izy ka ila hipaoka ny anjaran’ny sasany, ary hitondra izay tsy tokony ho entiny. Aiza izy no hahazaka akondro fito reny ? Fa raha mahazaka izy dia mba telo ahay; na anankiray lolohaviny, ary ny roa sakelehiny ».

« Ary Ifaralahy no tolorako be kosa, fantatro fa izy no nanonofy nandrary herana sy vondrona, dia tsy hanao soa am-po samy irery izy , fa hiera sy hidinidinika tsara vao manao izay raharaha tiany hatao, ka izy no hahatondra ny anarako sy hamelo-maso ny tanindrazako; tsy hanary loloha izy, fa hahafefy vody tatatra ».

Izany hono no nisehoan’ilay fitenin’ny Ntaolo hoe : « Tombo Ifaralahy, fa nateraka »

Angano, angano, arira, arira, izaho mitantara ianareo mamaky

...

Télécharger au format  txt (2.6 Kb)   pdf (50.2 Kb)   docx (8.7 Kb)  
Voir 1 page de plus »
Uniquement disponible sur LaDissertation.com